« Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan'ny soa aminao. » (Joba 22:21)

samedi 19 novembre 2011

AFAKA ATERAK’ANDRIAMANITRA HO LASA OLOM-BAOVAO HITONDRA FANOVANA IANAO OLONY

1) HATERAKA INDRAY HO LASA ISAKA AO @ KRISTY:
Efa antitra i Saraha reniny vao niteraka an’i Isaka:

« Ary Jehovah namangy an'i Saraha araka ilay efa nolazainy, ary dia nataon'i Jehovah tamin'i Saraha araka ilay efa noteneniny. Dia nanan'anaka Saraha ka niteraka zazalahy tamin'i Abrahama, rehefa antitra izy, tamin'ny fotoana izay efa nolazain'Andriamanitra taminy. » (Genesisy 21:1-2)

Tso-drano mahery sady nahomby avy hatrany no azon’i Jakoba na dia namitaka ny rainy aza izy:
« Dia nanatona izy ka nanoroka azy; ary Isaka nandre ny fofon'ny fitafiany, dia nitso-drano azy ka nanao hoe: E! ny fofon'ny zanako. Dia tahaka ny fofon'ny saha izay notahin'i Jehovah. Ary hanomezan'Andriamanitra anao anie ny andon'ny lanitra sy ny tsiron'ny tany, ary vary sy ranom-boaloboka betsaka. Hanompo anao anie ny firenena maro, Ary hiankohoka eo anatrehanao ny firenena samy hafa. Ho tompon'ny rahalahinao anie ianao, ary aoka hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny reninao. Ho voaozona anie izay rehetra manozona anao, ary hohasoavina anie izay manisy soa anao. »(Genesisy 27:27-29)
2) HATERAKA INDRAY HO LASA SAMSONA AO @ KRISTY:
Reny momba no niteraka an’i Samsona:

« Ary nisy lehilahy avy tany Zora amin'ny fokon'ny Danita, Manoa no anarany; ary momba ny vadiny ka tsy niteraka. Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niseho tamin-dravehivavy ka nanao taminy hoe: Indro, momba ianao ka tsy niteraka; nefa hanan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy. » (Mpitsara 13:2-3)

Samsona anefa dia tena natanjaka:
« Dia nilatsaka tamin'i Samsona ny Fanahin'i Jehovah, ary ilay liona tanora dia nosamatsamahiny hoatra ny fanasamaka zanak'osy, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tànany; ary tsy nambarany tamin'ny rainy na tamin'ny reniny izay efa nataony. » (Mpitsara 14:6)
3) HATERAKA INDRAY HO LASA SAMOELA AO @ KRISTY:
Hana reniny dia momba nefa dia niteraka azy:

« Fa Hana kosa nomeny anjaran-droa, satria izy no tiany, nefa nataon'i Jehovah momba. » (1 Samoela 1:5)
« Ary tamin'ny fahatanterahan'ny andro dia nanan'anaka Hana ka nitera-dahy, ary ny anarany nataony hoe Samoela*, fa hoy izy: Tamin'i Jehovah no nangatahako azy.[Samoela = Nohenoin'Andriamanitra ] »
(1 Samoela 1:20)

Ny Hosotra izay nataon’i Samoela dia tena nanan-kery:
« Ary Samoela nandray ny tandroka feno diloilo ka nanosotra azy teo amin'ny rahalahiny; ary ny Fanahin'i Jehovah dia nilatsaka tamin'i Davida hatramin'iny andro iny. ... » (1 Samoela 16:13)
4) HATERAKA INDRAY HO LASA JAONA MPANAO BATISA AO @ KRISTY:
Efa antitra sady momba Elizabeta izay renin’i Jaona Mpanao batisa:

« Ary tsy nanan-janaka izy, fa momba Elizabeta; ary samy efa antitra izy mivady. »(Lioka 1:7)
« Fa hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Zakaria; fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary Jaona no hataonao anarany. »
(Lioka 1:13)

Jaona anefa dia mpitory teny tena naharesilahatra ny maro ka nahatonga azy ireo nibebaka:
« Ary tamin'izany andro izany dia niseho Jaona Mpanao batisa, nitory tany an-efitr'i Jodia nanao hoe: Mibebaha ianareo; fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra. » (Matio 3:1-2)
« Ary Jerosalema sy Jodia rehetra mbamin'ny tany rehetra amoron'i i Jordana dia nivoaka nankany amin'i Jaona,ka nataony batisa tao amin'ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany. »
(Matio 3:5-6)
5) HATERAKA INDRAY HO LASA “COMMANDO” AO @ KRISTY:
Maria renin’i Jesosy dia nitoe-jaza nefa mbola tsy nivady t@ Jozefa izy:

« Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy.Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan'i Davida rainy; ary hanjaka amin'ny taranak'i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.Ary hoy Maria tamin'ilay anjely: Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho? Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin'ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay hateraka dia hatao hoe Zanak'Andriamanitra.» (Lioka 1:31-35)

Hitohy,…