« Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan'ny soa aminao. » (Joba 22:21)

mardi 5 juillet 2011

EFA AN'I KRISTY I MADAGASIKARA

Fahefan'i Kristy eto amin'ny Firenentsika:
« Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan'ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava. » (Daniela 7:14)
Ny Hevitry ny loko eo amin'ny Saina:
FOTSY:FAHAZAVANAN'ANDRIAMANITRA

« Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr'i Jehovah efa miposaka aminao. »(Isaia 60:1)
MENA: RA FAMPIAHAVANAN'I KRISTY
« sady Izy no hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka dia ny ràny teo amin'ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana - eny, Izy, hoy izaho, no fampihavanana izany, na ny ety ambonin'ny tany, na ny any an-danitra. » (Kolosiana 1:20)
MAINTSO: SAHA EDENA HO ALAIN'IZAO TONTOLO IZAO TAHAKA
« Fa holazainy hoe: Ity tany efa lao ity dia tonga tahaka ny saha Edena; ary ny tanàna efa foana sy lao dia misy mponina sady asiana manda; » (Ezekiela 36:35)
Ambany ny maintso ho mariky ny manda izay avy amin'Andriamanitra ny ilany ary ny ràn'i Kristy Mpamonjy eo ambony.
TSY MAITSY VITAN'I TOMPO IREO FANAMBY IREO E!
EFA MANOMBOKA MANANGANA IZANY IZY!!!
TSY HINJANONA HIVAVAKA ISIKA RAHA TSY TANTERAKA IREO

samedi 2 juillet 2011

FANALAVANA NY TENY HOE: "MADAGASIKARA"

M- Malaza
« ... fa efa nanao famantarana malaza tokoa izy, ary fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema izany, ka tsy azontsika lavina. » (Asan'ny Apostoly 4:16)
A-Avotra
« Izao no lazain'i Jehovah, Mpanavotra anao, dia ny Iray Masin'ny Isiraely: Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no nampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin'ny lalana tokony halehanao. » (Isaia 48:17)
D-Dera
« Hianareo izay midina any amin'ny ranomasina sy ny ao aminy rehetra, dia ianareo nosy sy ny mponina ao aminy, samia mihira fihiram-baovao ho an'i Jehovah, dia ny fiderana Azy hatramin'ny faran'ny tany. » (Isaia 42:10)
A-Aim-panahy
« Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena. » (2 Timoty 1:7)
G-Goavana
« Modia ihany any an-tranonao, ka ambarao ny zavatra lehibe nataon'Andriamanitra taminao. Dia nandeha izy ka nitory eran'ny tanàna izay zavatra lehibe nataon'i Jesosy taminy. » (Lioka 8:39)
A-Alaina tahaka
« Fa holazainy hoe: Ity tany efa lao ity dia tonga tahaka ny saha Edena...» (Ezekiela 36:35a)
S-Sambatra
« Ary ianareo hataon'ny firenena rehetra hoe sambatra; fa ho tany mahafinaritra ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. » (Malakia 3:12)
I-Ivon’ny fampandrosoana
« Ary ny firenena manatona ny fahazavanao, ary ny mpanjaka mankeo amin'ny famirapiratan'ny fiposahanao. » (Isaia 60:3)
K-Kolokoloina
« Mivahinia eto amin'ity tany ity ianao, dia homba anao sy hitahy anao Aho; fa ianao sy ny taranakao no homeko ireto tany rehetra ireto, ka hotoviko ny fianianana izay nataoko tamin'i Abrahama rainao; » (Genesisy 26:3)
A-Arovana
« Ary, indro, Izaho momba anao ka hiaro anao amin'izay lalan-kalehanao rehetra ary hampody anao indray ho amin'ity tany ity; fa tsy handao anao Aho mandra-panaoko izay voalazako taminao. » (Genesisy 28:15)
R-Ravak’izao tontolo izao
« Hahatonga volamena Aho ho solom-barahina, ary hahatonga volafotsy ho solom-by, ary varahina ho solon-kazo, ary vy ho solom-bato; ny fiadanana no hataoko fanapahana anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao.» (Isaia 60:17)
A-Ataon’i Kristy ho lohany
« Dia hataon'i Jehovah ho lohany ianao, fa tsy ho rambony;... » (Deotoronomia 28:13a)