« Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan'ny soa aminao. » (Joba 22:21)

samedi 2 juillet 2011

FANALAVANA NY TENY HOE: "MADAGASIKARA"

M- Malaza
« ... fa efa nanao famantarana malaza tokoa izy, ary fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema izany, ka tsy azontsika lavina. » (Asan'ny Apostoly 4:16)
A-Avotra
« Izao no lazain'i Jehovah, Mpanavotra anao, dia ny Iray Masin'ny Isiraely: Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no nampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin'ny lalana tokony halehanao. » (Isaia 48:17)
D-Dera
« Hianareo izay midina any amin'ny ranomasina sy ny ao aminy rehetra, dia ianareo nosy sy ny mponina ao aminy, samia mihira fihiram-baovao ho an'i Jehovah, dia ny fiderana Azy hatramin'ny faran'ny tany. » (Isaia 42:10)
A-Aim-panahy
« Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena. » (2 Timoty 1:7)
G-Goavana
« Modia ihany any an-tranonao, ka ambarao ny zavatra lehibe nataon'Andriamanitra taminao. Dia nandeha izy ka nitory eran'ny tanàna izay zavatra lehibe nataon'i Jesosy taminy. » (Lioka 8:39)
A-Alaina tahaka
« Fa holazainy hoe: Ity tany efa lao ity dia tonga tahaka ny saha Edena...» (Ezekiela 36:35a)
S-Sambatra
« Ary ianareo hataon'ny firenena rehetra hoe sambatra; fa ho tany mahafinaritra ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. » (Malakia 3:12)
I-Ivon’ny fampandrosoana
« Ary ny firenena manatona ny fahazavanao, ary ny mpanjaka mankeo amin'ny famirapiratan'ny fiposahanao. » (Isaia 60:3)
K-Kolokoloina
« Mivahinia eto amin'ity tany ity ianao, dia homba anao sy hitahy anao Aho; fa ianao sy ny taranakao no homeko ireto tany rehetra ireto, ka hotoviko ny fianianana izay nataoko tamin'i Abrahama rainao; » (Genesisy 26:3)
A-Arovana
« Ary, indro, Izaho momba anao ka hiaro anao amin'izay lalan-kalehanao rehetra ary hampody anao indray ho amin'ity tany ity; fa tsy handao anao Aho mandra-panaoko izay voalazako taminao. » (Genesisy 28:15)
R-Ravak’izao tontolo izao
« Hahatonga volamena Aho ho solom-barahina, ary hahatonga volafotsy ho solom-by, ary varahina ho solon-kazo, ary vy ho solom-bato; ny fiadanana no hataoko fanapahana anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao.» (Isaia 60:17)
A-Ataon’i Kristy ho lohany
« Dia hataon'i Jehovah ho lohany ianao, fa tsy ho rambony;... » (Deotoronomia 28:13a)

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire