« Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan'ny soa aminao. » (Joba 22:21)

vendredi 9 mars 2012

HAFATRA HO AN’NY OLON’I KRISTY REHETRA


A-1.Tsy misy mahavita tena @ fitoriana ny filazan-tsara ka tokony hampiraisina ny fanomezam-pahasoavana:
« Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy. » (1 Korintiana 12:12)

A-2.Tokony havelan’ny mpitarika hitsiry ny fanomezam-pahasoavan’ny tsirairay :
« Fa ny anankiray nomen'ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray finoana, amin'izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, amin'izany Fanahy iray izany ihany, ary ny anankiray ny manao fahagagana*, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin'ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra. [* Gr. hery] Ireo rehetra ireo dia asan'ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony. »
(1 Korintiana 12:8-11)

B-1.Fenoin’ny Mpanompon’Andriamanitra ny fotoanany ka tsy misy ny fotoana tena tian’ny Tompo hataony:
« Nahoana no tsy nisy olona, fony tonga Aho, ary tsy nisy namaly, fony niantso Aho? Moa fohy tokoa va ny tanako ka tsy mahavonjy, ary moa tsy manan-kery ho enti-manafaka va Aho? … » (Isaia 50:2a)

B-2.Nefa Andriamanitra mitady olona hihaino Azy mba ho ampiasainy @ Fombany:
« Mihainoa Ahy, ry vahoakako, ary atongilano amiko ny sofinareo, ry oloko; fa hisy lalàna hivoaka avy amiko, ary ny fitsipiko dia hampitoeriko ho fanazavana ny firenena. » (Isaia 51:4)

B-3.Satria te-hitondra vahaolana ho an’ny Nosy Izy:
« Akaiky ny fahamarinako, efa nivoaka ny famonjeko, ary ny sandriko no hitsara ny firenena; izaho no hantenain'ny nosy, ary ny sandriko no andrasany. » (Isaia 51:5)

D-1.Mitady hanjaka ny fitiavam-bola:
« Aoka tsy ho amin'ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianina amin'izay anananareo; fa hoy Izy: "Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory" (Jos. 1.5). » (Hebreo 13:5)

D-2.Ka tsy misy ny fifampitsinjovana fa manjaka ny fanamarinan-tena diso tafahoatra:
« Anaro ny mpanankarena amin'izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona, na hatoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika, mba hanao soa, mba hanan-karena amin'ny asa tsara, hazoto manome sy miantra,ka dia hihary fanorenana tsara ho an'ny tenany ho amin'ny andro ho avy, mba hihazonany ny tena fiainana. » (1 Timoty 6:17-19)

E-1.Miantso ny Tompo mba hibebahana haingana izany fahalemena rehetra izany:
« Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka, » (Asan'ny Apostoly 17:30)

E-2.Fa raha tsy izany dia hisy ny famaizana mafy:
« Ary vetivety foana dia hampidiniko aminao ny fahatezerako, Ary hotanterahiko aminao ny fahavinirako; ka hotsaraiko araka ny alehanao ianao, ary hatambesatro aminao ny fahavetavetanao. Ary tsy hiantra anao ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho; Hatambesatro aminao ny lalanao, ary ny fahavetavetanao dia ho eo aminao, ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no mamely. » (Ezekiela 7:8-9)

E-3.Efa tonga ny fararano ka te-hanavaka ny vary sy ny tsiparifary ny Tompo:
« ... Angony aloha ny tsimparifary, ka ataovy amboarany mba hodorana; .... » (Matio 13:30b)

Hitohy,…
Nanangona Ratrema Xavier Antananarivo,faha 9 Martsa 2012