« Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan'ny soa aminao. » (Joba 22:21)

dimanche 16 octobre 2011

IREO POROFO FA MENDRIKA NY HO JEROSALEMA VAOVAO I MADAGASIKARA

Ny Nosy no toerana tena voahosotra hiderana an’Andriamanitra:
« Hianareo izay midina any amin'ny ranomasina sy ny ao aminy rehetra, dia ianareo nosy sy ny mponina ao aminy, samia mihira fihiram-baovao ho an'i Jehovah, dia ny fiderana Azy hatramin'ny faran'ny tany. » (Isaia 42:10)

Tsy any Jerosalema fa toerana hafa no hisy ny Jerosalema vaovao:
« ...; ary any amin'ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, dia any no hanaovana aminy hoe: Zanak'Andriamanitra velona ianareo. » (Hosea 2:1b)

Maro ireo tany malalaka mbola tsy misy monina eto amitsika :
« Koa, indro, Izaho dia hitaona azy ka hitondra azy ho any an-efitra ary hanao teny malefaka hahafinaritra azy. Ary hatrany dia homeko azy ny tanim-boalobony sy ny lohasaha Akora ho varavaram-panantenana; Ary any no hamaliany toy ny tamin'ny andro fahatanorany, dia toy ny tamin'ny andro niakarany avy tany amin'ny tany Egypta.»(Hosea 2:16-17)

Tany azo averina tahaka ny saha Edena:
« Fa holazainy hoe: Ity tany efa lao ity dia tonga tahaka ny saha Edena; ary ny tanàna efa foana sy lao dia misy mponina sady asiana manda; » (Ezekiela 36:35)

Iray Reny ny mponina rehetra ( afaka ny ho taranak’i Abrahama avokoa):
« Mivahinia eto amin'ity tany ity ianao, dia homba anao sy hitahy anao Aho; fa ianao sy ny taranakao no homeko ireto tany rehetra ireto, ka hotoviko ny fianianana izay nataoko tamin'i Abrahama rainao; » (Genesisy 26:3)
( atao hoe Firenena dia iray Reny avokoa ny mponina rehetra ao)

Ranavalona II no Mpanjaka nahatanteraka ny fianianana nataon’i Solomona t@ nanangana ny fiangonana tao anaty Rovan'i Manjakamiadana :
« Efa nanao trano hitoeranao tokoa aho, dia fitoerana hitoeranao mandrakizay. » (1 Mpanjaka 8:13)

Ao @ Jerosalema vaovao dia misy tendrombohitra misy rova sy fiangonana:
« Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon'i Jehovah dia haorina eo an-tampon'ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany. » (Isaia 2:2)
« ....; Ary izy hanao amin'i Jerosalema hoe: Hatsangana ianao, ary amin'ny tempoly hoe: Haorina indray ny fanorenanao. » (Isaia 44:28)
« Avo mahafinaritra, fifalian'ny tany rehetra, ny tendrombohitra Ziona, eo amin'ny ilany avaratra, tanànan'ny Mpanjaka lehibe.Andriamanitra ao an-tranon'andriana ao dia nanao izay hahafantarana Azy ho fiarovana avo. » (Salamo 48:2-3)

Faminaniana efa nisy hatry ny ela izany(santionany):
Hira 545 (andininy faha 2) Fihirana FFPM

Ny Tanindrazanay malala,Ry Jeso Tompo, anjakao,Hiorina eto, tsy hiala,Ny fiadanana entinao !
Ny aizin’ota anie hisava,Ny fahantrana koa handao,Fa ho tarafin’ny Mazava,Hanjary tany vaovao.
Hira 39 (andininy voalohany) Fihirana FFPM
Faingàna, ry Mpanjaka !Handray ny lovanao ;Faingàna re mba haka,Ny tany ho Anao ;
Avia hampifaly ,Ny malahelo fo ;Afaho ny mijaly, Sy azon’ny manjo.

Dia hamaly Andriamanitra:
« Fa Izaho no andrasan'ny nosy, ..., Satria efa nanome voninahitra anao Izy. » (Isaia 60:9)

MANAIKY IZANY VE IANAO ?
RAISO ARY NY ANDRAIKITRAO DIA ATAOVY HOE “TSY MAITSY AZONAY NY ZONAY”


« Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy; ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika aminy. » (1 Jaona 5:14-15)

Tahionao ry Zanahary, Ity Nosindrazanay ity ,Hiadana sy ho finaritra,He! Sambatra tokoa izahay!

Nanagona Ratrema Xavier
Antananarivo,faha 16/10/2011 Hitohy,…

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire