« Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan'ny soa aminao. » (Joba 22:21)

lundi 24 octobre 2011

VONONA NY HANAO IZAY HAHASAMBATRA NY MALAGASY KRISTY


Efa natao ho sambatra foana ny Malagasy:
Ao amin’ny hiram-pirenena dia @ fotoana ankehitriny ny hoe:

“HE! SAMBATRA TOKOA IZAHAY!!!”


Misy ireo tonon-kiram-panahy izay efa nanambarana fa ao @ Kristy no misy ny fahasambarana:
Hira 471 (and 1 ) Fihirana FFPM

He, SAMBATRA aho, Jeso,raha miaraka Aminao,
Fa ny làlanao dia lavi-pahoriana ;
Ny ali-mampahory,ny raho-mitatao,
Eo anilanao dia mody fitahiana.
Tano aho, Jeso, hiaraka aminao,
Izay làlana ombako, e ! mba hazavao.
Hira fanampiny 26 (famerenana):
SAMBATRA aho Jeso ô !Manana Anao ‘zay Tompon’ny hery
SAMBATRA aho Jeso ô !Miankina eo an-tratranao,
Ampy ahy ny fitiavanao,Ampy ahy ny finoako Anao
Raketiko ao am-po lalandava,Fa reharehako Ianao.

Mahafantatra Kristy fa Izy no andrasan’nymponin’ny Nosy Madagasikara:
« Fa Izaho no andrasan'ny nosy, .... Satria efa nanome voninahitra anao Izy. » (Isaia 60:9)

Vonona hamonjy ny Malagasy izay mahazo tso-drano eo noho eo Kristy:
Raha misy mandray ny tso-drano hoe: « Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao; » (Nomery 6:24)
->Kristy tonga dia hiaro tahaka ny niarovany an’ilay vehivavy janga
« … Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany » (Jaona 8:7b)
Tso-drano:« Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao; » (Nomery 6:25)
->Kristy tonga dia ho avy amirapiratra eo anoloany tahaka t@ Saoly izay niova ho Paoly
« … nisy mazava lehibe nanelatrelatra tampoka avy tany an-danitra manodidina ahy; … Ary izaho namaly hoe: Iza moa Hianao, Tompoko? Dia hoy Izy tamiko: Izaho no Jesosy avy any Nazareta, ... » (Asa.: 22:6-8)
Tso-drano: « Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana. » (Nomery 6:26)
->Kristy tonga dia hanome fiainam-piadanana tahaka ny Azy:
« Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo. » (Jaona 14:27)

Efa voasoatra fa mponina voahosotra hitondra ny hira fiderana maneran-tany ny Malagasy:
« ... ianareo nosy (Madagasikara) sy ny mponina ao aminy, samia mihira fihiram-baovao ho an'i Jehovah, dia ny fiderana Azy hatramin'ny faran'ny tany. » (Isaia 42:10)

Tena manaiky izany fanendrena masina izany ny Malagasy:
Hira 427(andininy faha-2) Fihirana FFPM:

Ho vavolombelonao,Eran-tany raha ilaina,
Toy ny loharano vao,Izay mamelombelona aina
Hanasoa ny tany hay,Efa mihamaina taho( mihamaina ),
Tompo ô, inty indray,Alefaso, vonona Aho.
Hira 33(andininy faha-3) Fihirana fanampiny
Inty aho Jesoa,miantso ahy Hianao,
Mba ho fahazavan’izao tontolo izao
Hianao no nifidy ahy ho fanasina,
Hanefa ny adidy lehibe sy masina
Koa hamasino Tompo,Fa vonona aho hanompo,
hombay ny herinao,Hitondra aim-baovao
Ho mendrika tokoa,Ny antsonao Jesoa.

KRISTY EFA VONONA, ARY IANAO VE VONONA HO AMPIASAINY IZAO DIA IZAO!!!!


Mba ho tanteraka haingana dia haingana ilay tonon-kiram-panahy ao @ Fihirana FFPM 734 manao hoe:

“DIA HO TANY SAMBATRA ILAY MADAGASIKARANAY!!!!!”

1 commentaire:

  1. Ary nandre ny feon’ ny Tompo aho nanao hoe: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho: Inty aho, iraho aho.(Isa.6:8)

    RépondreSupprimer