« Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan'ny soa aminao. » (Joba 22:21)

mercredi 12 octobre 2011

SATRIA MINO IANAO DIA HANDRY FEHIZAY NY TANANANAO !

Ny finoana dia fiainana sahady an’ilay zavatra na dia mbola tsy misy aza:
« Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita. » (Hebreo 11:1)

Izay angatahinao @ anaran’i Jesosy Kristy am-pinoana ka hahasoa anao na ny hafa dia ho tanteraka:
« Ary na inona na inona no angatahinareo amin'ny fivavahana atao amin'ny finoana dia ho azonareo. » (Matio 21:22)

Tsy tokony hiahanahana amin’izay finoana anananao ianao:
« Nefa aoka hangataka amin'ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin'ny rivotra ka atopatopany. » (Jakoba 1:6)

Izany hoe tokony hanana fahasahiana mangataka sady efa mino ny fahatanterahany avy hatrany:
« Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy; ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika aminy. » (1 Jaona 5:14-15)

Na mety “impossible” amin’ny fijery maha-olombelona aza dia afaka ataon’Andriamanitra raha tena mino ianao :
« Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manam-pinoana ianareo ka tsy miahanahana, dia tsy izao natao tamin'ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa raha hiteny amin'ity tendrombohitra ity aza ianareo ka hanao hoe: Mifindrà ianao, ka mianjerà any an-dranomasina, dia ho tonga izany. » (Matio 21:21)

Tsy voatery fatra betsaka ao anatinao ny finoana nefa hitokisanao dia hahomby avy hatrany:
« Fa hoy ny Tompo: Raha manana finoana na dia hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo, dia azonareo lazaina amin'io vorihazo io hoe: Miongota, ary aoka hambolena ao anatin'ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy. » (Lioka 17:6)

Aleo Kristy mihitsy no hiaiky ny finoanao:
« Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga ka niteny tamin'izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho na dia tamin'ny Isiraely aza. » (Matio 8:10)

Aza miahotra ary manonona isa-maraina fa efa an’i Kristy ny tanànanao dia ho ringana ny toetra ratsy ao:
« Haringako isa-maraina ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany, Mba hofongorako ny mpanao ratsy rehetra tsy ho ao an-tanànan'i Jehovah. » (Salamo 101:8)

Tsy misy afaka manakana izany asa fandringanana izany:
« Fa Jehovah, Tompon'ny maro, no efa nikasa, ka iza indray no hahafoana izany? Ary ny tànany dia voahinjitra, ka iza no hampihemotra izany? » (Isaia 14:27)

Angataho mba hataon’i Tompo haingana dia haingana izany asa fanadiovana ny tanànany izany:
« Tompo ô, mandrenesa, Tompo ô, mamelà heloka; Tompo ô, mihainoa, ka miasà; aza ela Hianao, ry Andriamanitro ô noho ny aminao; fa ny tanànanao sy ny olonao dia nantsoina amin'ny anaranao. » (Daniela 9:19)

Tsy azo ajanona koa anefa ny asa fitoriana mba hahatonga ny rehetra ho voavonjy:
« Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan'ny ratsy fanahy, fa ny hialan'ny ratsy fanahy amin'ny lalany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin'ny lalan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty ianareo, ry taranak'Isiraely? » (Ezekiela 33:11)

Satria nikatsaka izay hiadanan’ny tanàna ianao dia hitondra fiadanana ho anao koa izany :
« Ary katsaho izay hiadanan'ny tanàna izay nampandehanako anareo ho babo, ary mivavaha amin'i Jehovah ho azy; fa raha miadana izy, dia mba hiadana koa ianareo. » (Jeremia 29:7)

Minoa fa efa manomboka manorina tany vaovao ho anao Andriamanitra izao dia izao:
« Fa, indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza. » (Isaia 65:17)

Ary Minoa fa hahita ny fahavitan’izany ianao:
« Ary hahita izany ianao ka ho miramirana, dia hiemponempona sady hohalehibiazina ny fonao;... » (Isaia 60:5a)

Hitohy,…

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire